4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Itony - Apost

Aza be fitaka, sao diso lalana

Ny tody anie tsy misy

Fa ny atao no miverina

Aza mamilafila, mihevitra olona ho sanàna

Manao izay itovizam-peo,

Mba mora fialana



Izay rehetra atao anie

Tsy ilàna tambiny avokoa

Fa misy ihany mba tena vokatry ny fo



Aza mirediredy,

Fa tsy fantany akory ny lazainy

Fa ny teny raha foy manan’elatra

Aza mba atosika ry ondry botry

Sao hanao kambana

Aza manosiosy, fa tsy hainao….

Izay hiafarana



Ny soa natao tsy anenenana

Ny sisa no tsy atao intsony

Any an-kafa indray manarina



Ny soa natao tsy anenenana

Ny vola aman’hetsiny tsy hilevenana

F’aleo ihany fitiavana



Ka mantena fiovana (ianao)

Avy aminao

Amin’izao fiainana mandalo izao

Mba hisaintsaino tsara ihany

Izay atao, mba tsy hanenenana



Ny tody tsy misy fa….

….ny atao no miverina

Ny ratsy atao loza mihantona

Ny heloka hibaboana mody rariny



APOST

"DIDY FOLO"

Partager itony

Commenter itony

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Apost