4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lasa voahangy - CLO Mahajanga

Lasa Voahangy



Eto amin’ity toerana ity aho no mametsovetso ny talentako an-kira

Fa fisaorana sy fahatsiarovana, fa izao tombon’ny vatany mafana

Ka lasa iny Voahangy, fa ny faty no mampisaraka aminay

Hatreto ny farany, manomboka eto ny fisarahana mandrakizay

Satria lasa i Voahangy





1- Taona vitsy no nomeny anjaranay mba iarahana

     Atalata no andro nisarahana

     Nanatena fihavanana mafana

     Kanjo lasa Voahangy tsy tamana

          Tsy misy olombelo tsy ho faty, miandry ora

          Mangidy anie ny maty tanora

          Mba ahatsiarovanay mba tsy hamangy

          Tsy hiverina intsony mantsy Voahangy e



Niantso an’i Dada efa razana ny tenako fa tsy kivy

Mba safosafoy ary tazatazano, jereojereo ny ankizy

Raiso ho eo anilanao fa izy anie tsy zanak’iza

Omeo toerana mba tsy ho very hahazo ny paradisa





2- Marina ny tany tsy malama fa mamizana

     Olon-dratsy  no mahay mamingana

     Ka namela anay hitoetra eto irery

     Na ny zanako tsy nahalala,  aiza i neny ô !

          Fahatsiarovana navelan’ny maty zaza roa

          Nizaka ny mafy avokoa

          Raha mbola nisy afaka hatao, nodimandry

          Nofinofy ho’aho ’lay vady tsindrimandry



Niantso an’i Dada efa razana ny tenako fa tsy kivy

Mba safosafoy ary tazatazano, jereojereo ny ankizy

Raiso ho eo anilanao fa izy anie tsy zanak’iza

Omeo toerana mba tsy ho very hahazo ny paradisa



Hafatry ny maty izany ka tsy hadinoko velively

Ireo zanatsika raha azo atao aza asiana renikely

Hotanteraka (2) tokoa anie izany

Taranantsika Ralala ô tsy avelako hitomany

Partager lasa voahangy

Commenter lasa voahangy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe CLO Mahajanga