4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fialonana - CLO Mahajanga

  1-Hanafarako ireo havana tsy foiko

    Arovy tsara ny tena e!

    Sao mihevitry ny fiainana ho mora

    Fa ny mafy avy tampoka

    Raha nampoiziko hanjary fahoriana

    Ny nahazo an’iny hava-tiako iny ô! ô!

    Aleoko miaro azy tsy ho faty

    Toy izay hiaro tenako



Fodikely anilan’ny vary zahay e!

Mifankatia tsara, f’alan’olo ô!

Nagnino ô! ô!

Zanak’olo tsy mba zatra ady izy iny

Natrekinao nony fialonana a! a!

Fa nagnino ô! ô!



  2-Zanahary tsy dininao

    Ambesako eto tsara izy

    Vidin-dranomasoko iny

    Hanjary valy faty oa

    Hatsiarovan’olo nahavita ratsy

    Ny andro hifoterany ami-tenany

    Ranomasom-pahoriana tsy zaka

    Tsy maintsy hanenenany



Fodikely anilan’ny vary izahay e !

Mifankatia fa alan’olo ô! ô!

Nagnino ô! ô!

Zanak’olo tsy mba zatra ady izy iny e!

Natrekinao noho ny fialonana a! a!

Fa nagnino, ô! ô!



3-Fa mbola velona ny olo nirianao ho faty

   Koa tsy meloko ny nanaovanao ratsy e! e !

   Tongava saingy enjehinao ‘ty namana efa resy

   Kilandy kely nanarak’omby izy iny e!

   Tsy mitovy fa mifanaraka ho azy, e! e !

   Tsy magninô ô! ô!



   Fiarahana naharits’ela no iriany e

   Voatoram-bato, ka tafasaraka ho azy

   Fa nagninô ô! ô!



                  CLO MAHAJANGA


Partager fialonana

Commenter fialonana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe CLO Mahajanga