4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tilapia latsaka an-drano - CLO Mahajanga

Tilapia latsaka an-drano



1- Nabaribariko karaha masoandro ô

     Zaho lazaina atao efa vita

     Tohiziko isan’andro isan’andro

     Nefa mbola hodianao tsy hita

     Fomban-javatra mpanenjika tsy miala amin’ny tany e!

     Izy koa zaho tsy ady no havaliko izany ho ’aho

     ouh ! ouh !



Anao koa dobokelin-dranomamy

Zaho ranomasim-be tsy lany

Anao koa loharano miboiboika

Zaho renirano tsy ritra

Tilapia latsaka an-drano zaho

Tsy very fa mamonjy namany

Manenjiky foana zay manenjiky

Tsy haneky tratranao zaho ô!



2- Samy manatsara ny tandrifiny

     Zay reky isika tompon’ny tany

     Hanaovana ny rariny sy hitsiny

     Mba halaza amin’ny farany any

     Zay mangina volamena fa ny marina tsy tokony hosena

     Izy koa zany toheriko ny mpanankarena ho’aho



Afoizo ny fihavanana iombonana, izy koa fa ratsy e !

Akelezo ireo manafo iarahana mandray ny mafy

Zaho manafatra, misy namana tôjo ny endrikendrika

Voafatotra, dobo rendrika amin’ny lalina

ouh ! ouh !



Anao koa dobokelin-dranomamy

Zaho ranomasim-be tsy lany

Anao koa loharano miboiboika

Zaho renirano tsy ritra

Tilapia latsaka an-drano zaho

Tsy very fa mamonjy namany

Manenjiky foana zay manenjiky

Tsy haneky tratranao zaho ô!



Mavoaza anao mampiditry jaly e

Fa voa e i namanao

Manodiava anao raha izy mamaly e

Kafiry loatra ianao

Fa izy raha voa dia nangina

tsy namaly akory atao

Aza faly mampijotso

Ranomaso misy vidiny e



Clo Mahajanga

Partager tilapia latsaka an-drano

Commenter tilapia latsaka an-drano

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe CLO Mahajanga