4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tokantranonay - CLO Mahajanga

Tokantranonay



Zay very olomanga, very hava-tiana

Tsy maintsy ho nintranga ny mpitondra fifaliana, ho an’ny ho avinay

Ny lasa homba ny lasa ny ho avy no tazaniko

satria ny ankehitriny efa tonga ao an-tranoko, hiaraka izahay

      Dia zary fanambinana izay nitsiky tamiko

      Masoandro miramirana mitaratra ao an-tranoko, tsy ho maizina izahay

      Tongava any an-trano raha tianao ho porofoina fa miaraka izahay

      hanangana ny ho avinay, mifandefitry

      mba ahafataran’olona fa izany zahay an-tokatranonay



Ny ady tsy mankaiza, mifandefitra no tsara

Fitia tsara taiza no hiarahanay mizara mba ho filaminanay

Zahay koa mba maniry ny hanjakan’ny fifaliana

Hianao lanjan’ny sasany ny hazo fijaliana, mba hiadananay

Ny kely am-pelatanana tsy maintsy ampy anay

Ho toy ireo namana efa niafy hatramin’izay, vonona izahay

      Ianao Zanahary zay mpiaro ny mpifankatia

      Arovinao ny lalanay, omeo fiadanana izahay

      Mba ho tody, ho tody soa amantsara ny tanjonay,

      ho sambatra izahay,

      Izy no hianteherako, zaho no andry hiankinany

      Mifanohana, maniry mba ho lavitry ny olana, ny tokantranonay



Tongava any an-trano fa ho raisinay tsara ianao

Maharena tonkantrano, fa ho avy izahay hamangy anao

Tongava any an-trano fa ho raisinay tsara ianao

Maharena tonkantrano, fa ho avy izahay hamangy anao



Clo Mahajanga

"Slow Manja"

Partager tokantranonay

Commenter tokantranonay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe CLO Mahajanga