4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fararano - Iraimbilanja

Injay ny akama misioka fa efa rankara

Tsy taitra, tsy maika ny tary tsy mahalala tara

Miara-mirona, midola tsy akifandao

Tsy misy mamonjy fodiana anio fa hialalao



Divay sy labiera, sigara miharo hirahira

indreny fa tonga avokoa ny avy any an-dakira

Na lahy na vavy samy somebiseby avokoa handihy

Tsy asiana fetra ny revy anio fa malakia



Tonga indray ny fararano

Zara aza misy fotoana iarahana

Tsy asiana sira ny lany fa fomba firevy ihany izany

Ampitso indray mikatsaka azy, vola fitady



Mazava atsinanana ny andro maneno akoho

Ireo tabataba korana nangina avokoa

Ny tapa-porohana sisa tavela teo



Dia samy namonjy fodiana amin’izay fa efa leo

IRAMARO amin’izany tazano toa mivilavila fandeha

Vavony, ny aty, tsinay efa te-hiantso pompier

Ny fiaretan-tory mitaky miampy aretin’andoha

Aleo aloha ny revy najanona hatreo samy afa-po



Lasa indray ny fararano

Tsapaina ny paosy tsy nisy niangana

Ny vady maneno an-trano

Fa tsy misy ny atokona androany

Tsy maintsy mandeha mitsakarak’azy, vola fitady

Partager fararano

Commenter fararano

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Iraimbilanja

Suite