4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Loza - Iraimbilanja

Nomena fahalalana ianao

Natao izay rehetra sitrakao

Mba ho olo-mendrika any aoriana

Oooo tsy tsapanao

Namoronana ny tsy misy aza indraindray

Tsy navela hiafy raha azo atao

F’efa vonona izy hiantoka anao

Oooo tsy tsapanao



Nony nidify niletika ilay masoandro

Nianjera ny andry niankinanao  

Nanao ny fomba tsy fanao

Nandika lalàna tsotra izao

Loza ity marina mafy



Nanafatra izy alohan’ny handao

Mahaiza mitsitsy kajio tsara ny atao

Ny vola sy harena ho avy aminao

Oooo raha miezaka ianao

Ny hany mba lova napetrany ao

Dia fahendrena sy trano bongo iray

Anjaranao ny mandimby azy indray

Oooo tsy tsapanao



Nony nidify......

Partager loza

Commenter loza

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Iraimbilanja

Suite