4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitia nindramina - Kiaka

Fotoana vitsy monjy ihany anie
no noferanao ho ahy mba ho fananako
Ilay fitia tao am-ponao hatrizay
Tsy navelanao ho ahy mba ho anjarako


Hasambarana fohy no niainako
Tsy mba nahitako izay nahasoa
Fa ny faniriako ny ho anilanao
K'anefa tsy mba nirinao

Fitia nindramina avy any aminao
No niainako hatrizay   hatrizao
Nefa toa navelanao toa izay fanaonao
Fitia nindramina avy any aminao
Fiainana vaovao lava izao ny anao
Nefa izany ve no atao hoe hasambarana

Tsy tsapanao tokoa mantsy fa
Ny fitiavako tsy niala taminao
Ilay foko tia tsy nety niova
Toa nanjary kivy nohon'ny nataonao

Partager fitia nindramina

Commenter fitia nindramina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Kiaka

Suite