4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Izay rehetra sitrakao - Simon Randria

Tsy mba haiko hadinoana

Ny soa nataonao tamiko

Fa famonjena tsy hay soloina

Asa re raha voavaliko



Avotrao ny fiainako

Nahitsinao ny lalako

Ireo fahazaran-dratsiko

Noho ianao dia efa resiko



Refrain

Izay rehetra sitrakao

Dia ho tanterahiko

Fa lehibe tokoa

Raha ny fitiavanao

Izay rehetra sitrakao

Dia ho tanterahiko

Fa izaho tsy mahafoy

Ny miaraka aminao



Afa-tsento izao ny foko

Sendra anao manam-panahy

Niova tsiky ny toloko

Lavitr’ahy ireo ahiahy



Avotrao ny fiainako

Nahitsinao ny lalako

Ireo fahazaran-dratsiko

Noho ianao dia efa resiko



Refrain

Izay rehetra sitrakao

Dia ho tanterahiko

Fa lehibe tokoa

Raha ny fitiavanao

Izay rehetra sitrakao

Dia ho tanterahiko

Fa izaho tsy mahafoy

Ny miaraka aminao

Partager izay rehetra sitrakao

Commenter izay rehetra sitrakao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Simon Randria