4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mba rahoviana re - Simon Randria

Ity foko mbola tia, tianao doria

Dia mivetso lava izao aty

Nilaozana hazavana ny androko rehetra

Rakotra toloko feno tsetra



Mba rahoviana re eh, eh, eh



Refrain

Mba rahoviana re no hamiratra indray

Ity androko namjombona hatrizay

Mba rahoviana re no ho eo anilanao aho

Ka ho foana ny toloko mitoetra anatiko ao



Ny tenako izao no lavitra anao

Manirery fa nilaozanao

Nefa ilay foko efa babonao

Manantena mbola ankaikinao



Refrain

Mba rahoviana re no hamiratra indray

Ity androko namjombona hatrizay

Mba rahoviana re no ho eo anilanao aho

Ka ho foana ny toloko mitoetra anatiko ao



Iny ventsoko iny anie

Ka tsy mba mivily

Fa handeha hamangy ny olon-tiany

Satria tsy mba miala

Ao an-tsaiko ao

Ilay endrikao sariaka re nandao



Refrain

Mba rahoviana re no hamiratra indray

Ity androko namjombona hatrizay

Mba rahoviana re no ho eo anilanao aho

Ka ho foana ny toloko mitoetra anatiko ao

Partager mba rahoviana re

Commenter mba rahoviana re

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Simon Randria