4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sendra - Tsiakoraka

Ny tsinikelin’ny sendra izy tsy manan-kolazaina

Toa tsy manan-taraina



Ny azy koboniny anaty sarotro ny tomany

Sy hasomparan’ny tany



Diamanga tsy hay mandratra

Ny tiana lasa tsy tratra

Nizara sento izy teo tamin’ireo vorondreo

Toa mitoreo

Tsiky malefaka miampy vetsovetso miantsampy

Tamin’ny voro-nandalo ary tonga nampitony

Ny alahelo



Ny tsinikelin’ny sendra izy tsy manan-kolazaina

Toa tsy manan-taraina



Ny azy koboniny anaty sarotro ny tomany

Sy hasomparan’ny tany



Isan’andro izy irery mamaly ny antson-jorery

Mandany andro amin’ny antsan’ireo vorona nanaiky

Hiarak’hifaly

Rehefa tonga ny hariva

Malaina handao ny kijana

Ny alahelo tsy tana himpody indray any an-tanàna

Rahampitso indray mikarama

Partager sendra

Commenter sendra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tsiakoraka