4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tamboho - Tsiakoraka

TAMBOHO



Io ilay taboho fa foana

Tsisy mpitaingina intsony

Tsy afaka miantso fa moana

Hiantso ny mpandalo irony

Fa mangina

Niangonan’ny vovoka teo

Fa mangina

Niangonan’ny vovoka teo



Ireo tovolahy mpikalo

Teo isan’andro isan’andro

Efa nanjary mpandalo

Rehefa mody masoandro

Fa tsy avelan’ny taona

Hipetraka eo, hipetraka eo

Fa tsy avelan’ny taona

Hipetraka eo, hipetraka eo



Rehefa mitombo ny taona

Sarotra vao tafahaona

Tamboho sisa miandry eo

Moana tsy mahaloa-peo

Fa mangina

Nanirian’ny lomotra teo

Fa mangina

Nanirian’ny lomotra teo



Ireo tovolahy mpikalo

Teo isan’andro isan’andro

Efa nanjary mpandalo

Rehefa mody masoandro

Fa tsy avelan’ny taona

Hipetraka eo, hipetraka eo

Fa tsy avelan’ny taona

Hipetraka eo, hipetraka eo



TSIAKORAKA

Partager tamboho

Commenter tamboho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tsiakoraka