4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Diavolana - BARIJAONA



Diavolana fenomanana takariva

Mampanembona ireo havan-tiana

’Njao manako toa mamohafoha antsiva

Ny halahelo fa lavi-podiana

Mahamanina izay tazanina

Any mantsy ny any aminay



Diavolana fenomanana takariva

Mitambolona ny andro fahiny

’Reo korana, kalokalo, tononkira

Mahamanina ny fo mivahiny

" Volivoly “, ngolingoly akia

Any mantsy ny any aminay



Diavolana fenomanana takariva

Ka tsaroana e i Dada sy i Neny

’Reo angano sy arira mahaliana

Njao manako ombieny ombieny

Ny alahelo mamelovelo

Any mantsy ny any aminay



Diavolana fenomanana takariva

Mitambolona ny andro fahiny

’Reo korana, kalokalo, tononkira

Mahamanina ny fo mivahiny

" Volivoly “, ngolingoly akia

Any mantsy ny any aminay



      BARIJAONA




Partager diavolana

Commenter diavolana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe BARIJAONA

Suite