4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mpangala-dia (2012) - Iraimbilanja

Hendratrendratra, toa menamenatra

ilay ianao sambany ity nanoroka ahy

namihinako voalohany ny tananao

toa satriko foana eo anilanao



Hafaliana, sy fijaliana

ny tebiteby avy aminao ny momba ahy

nandrenesako indray ilay feonao

nilaza ny marina anatin'ny fonao, ny fonao



Ref.

Tsy sahiko ny milaza

ny marina rehetra

manahy aho sao mandatsa

ny fotoana manampetra



Matahotra aho ny hiteny

ireny rehetra ireny

sao mba lasa lainga

ny teniko ombieny ombieny (ombieny ombieny)



Niaradia, hoe mpifankatia

mpangaladia tsotra izao izaho sy ianao

ny andro sy fotoana izay niarahana

nangalarina fitia, izay no tena marina



Taty aoriana, asa angaha oviana

niteny ianao fa hoe tapitra eo ny kilalao

izaho nalahelo, ianao toa falifaly

nangatatsotrano hoe hanambady, eny hanambady



Ref.

Tsy sahiko ny milaza

ny marina rehetra

manahy aho sao mandatsa

ny toky izay nomena



Matahotra aho ny hiteny

ireny rehetra ireny

sao mba lasa lainga

ny teniko ombieny ombieny



Tapitra eo ny dia

rava ny fitia

angalarina ny dia

raha mbola tany koa ny tany



Vita ny tety

manomboka ny ery

ireo mpangaladia

mbola miafina any ho any

mbola miafina any ho any





(Album : Ahoana ny Hoavy 2012, A/C : RAVELOARISON R. Richard, Vocals : Batata / Papay)

Partager mpangala-dia (2012)

Commenter mpangala-dia (2012)

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Iraimbilanja

Suite