4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Orana - Iraimbilanja

Dimy volana tsy nilatsaka ny orana

Sadaikatra ny maro sao tonga ny mosary

Nifampitaona ny tantsaha sy ny fokonolona

Hangataka tsodrano sao tsy hamokatra



O! O! O!

Inona no nahatonga izany

O! O! O!

Sao mba nisy hadalana tany ho any



Tsy tonga ny orana

Mandady ny kere

Tsy nisy ny orana

Malaina ny angady



Andro fahavartra fa tsy hoe ririnina

Namidy avokoa ny akoho sy vorona

Efa nalefa hatramin’ny tanin’anana

Zanahary o! ampio fa mijaly



O! O! O!

Doro tanety sy voly an-tavy

O! O! O!

Tsy mety e! manimba ny tany



Tonga ilay andro, vory ny manodidina

Omby mazava loha nasesy avy any am-bala

Nalefa ny kabary sy ny fomba amam-panao

Novonoina ny omby, hanomboka ny lanonana



O! O! O!

Kotaba sy korana ny ao an-tanana

O! O! O!

Nisy rahona ny habakabaka



Tonga ny orana

Lasa ny mosary

Latsaka ny orana

Nivoaka indray ny angady

Partager orana

Commenter orana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Iraimbilanja

Suite