4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tambavy - Iraimbilanja

Nalaina tany an’ala

Nentina an-tanana

Natapy mba ho maina tsara

Natao rano fisotro

Mba hampatanjaka aina

Sy ahasalama vatana



Harena tamin’ny razana

Niampita tamin-janaka

Ho lovan’ny faramandimby

Taloha, fahagola tsy nisy hopitaly

Fa zava-maniry no nitsabo



Tambavy voa-janahary

Rano tsy mankarary

Aza dorana ny ala



Fery, farasisa, angorongosy sy ny sisa

Samy manana ny tandrify azy avy

Aty mangamangana, vavony tsy salama

Manatona ny mpanao tambavy

Tsy resaka dadarabe, fa vitan’ny Nahary

Kajio ny tontolonao

Lazao amin’ny tany, sambory sy fongory

Ny manimba zava-boaary.

Partager tambavy

Commenter tambavy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Iraimbilanja

Suite