4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tao an-tsekoly (rectfication) - Iraimbilanja

Tao an-tsekoly



Nisy foana ny fotoana

Ifanenantsika isan’andro

Tao an-tsekoly

Lay mpampianatra anakiray

Tsaroako tsara izy izay

Nalaza nasiaka.

Nisy aza lesona tsy hay.

Nahatonga ny sazy indray indray.

Ka nampifamaly.



Nareo rehetra aza moa, nihomehy avokoa

Raha mba sendra voatendry ho eny aloha

‘lay mpampianatra nilaza fa hoe

Mankanesa ise eny amin’ny solaitra be







Nisy foana ny fotoana

Nilalaovan-tsika isan’andro

Tao an-tsekoly

Ny entimody zara fa vita

Naleontsika rehetra naditra

Nifananihany







Isika rehetra aza moa nihomehy avokoa

Raha mba nisy hafa voatendry ho eny aloha

‘lay mpampianatra nilaza fa hoe

Ise tsy mahay allez mandohalika ela be

allez mandohalika ela be





Isika rehetra aza moa nanganohano avokoa

Reha tonga ny andro fialan-tsasatra

Ny iray kilasy no niredona hoe

Veloma ianao ry Ramose masiaka be





Nisy foana ny fotoana

Ifanenantsika isan’andro

Tao an-tsekoly

Nisy foana ny fotoana

Nilalaovan-tsika isan’andro

Tao an-tsekoly



Tao an-tsekoly; Tao an-tsekoly; Tao an-tsekoly.

Partager tao an-tsekoly (rectfication)

Commenter tao an-tsekoly (rectfication)

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Iraimbilanja

Suite