4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Telo izay iray - Iraimbilanja

Tao Betleheman’i Jodia

No niavian’ilay Mesia

Zanak’Andriamanitra

Tonga mba hanavotra



Tao an-tranon’omby kely izay

No nahaterahan’ny Zanaky ny Ray

Izy no Mpanavotra

Ety an-tany hatrany an-danitra



Ny kintana ambony no nitsena ny dia

Avy any atsinanana, hoe ilay Mesia

Zanak’Andriamanitra

Feno anjely ny lanitra

Faly mihoby hoe sambatra

Voninahitra anie ho an’ny Avo indrindra



Derao - fa Izy no Mpanjakanao

Hosana - ho an’Andriamanitra

Derao - I Jesoa Kristy Tomponao

Hosana - ho an’Andriamanitra

Ilay telo izay iray



Hira no atolotro

Ho an’i Jesoa Mpanjaka soa

Hira fiderana Anao

Nanao ny tany sy ny lanitra

Partager telo izay iray

Commenter telo izay iray

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Iraimbilanja

Suite