4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Volana - Iraimbilanja

Indraindray tapany ihany

Nefa ampy tsara ny hazavany

Indraindray tsy hita intsony

Lasana nadeha antoeran-kafa

Indraindray feno daholo

Tonga mitsidika antsika manontolo

Eo amin’izay lay nandrasana

Kotaba sy korana feno jiro ny tanana



Volana ô hitondray aty

Ilay somambisamby

Volana ô hivimbino aty

Ilay fenomanana



Matetika izy arahin’ny kintana

Sakaiza mpiaradia sy mpifankatia

Matetika izy saron’ny rahona

Tsy ankasoparana fa firaiketam-pitia



Eo foana izy na andro na alina

Tonga mba mamangy sy mitaratra andry

Eo foana izy na tsy tazana

Avelao hiditra hatrany ampandriana

Partager volana

Commenter volana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Iraimbilanja

Suite