4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tehina - Iraimbilanja

Tehina
Zaza sy vao niana-mandeha ireo tongotrao
Ka nitehina tamin'i Neny ianao
Izy no andry tsy hampianjera anao
Izy no vatolampinao
Taona maromaro taty aoriana
Nifanao fotoana tamin'ny olon-tiana ianao
Tsy mbola tonga izy tsy mbola tonga foana
Ka nitehin-drindrina ianao

Tsy misy mahavita irery
Fa mbola miankina amin'ny tsy hay
Na rindrina io na hazo
Tehina, tehina foana

Nitombo ny taona sy ny fara mandimby
Ka nihaosa ny tongotrao
Nitady ka nahita, hazo itehenana
Hazo ho namanao

Partager tehina

Commenter tehina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Iraimbilanja

Suite