4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vetson'ny kamboty - BARIJAONA

Haolo mantsy ilay tanàna

Toa kamboty very reny

Fa ny làlana nombàna

Efa lasa toy ny very



Haolo mantsy ilay tanàna

Tsy mba ray hanorotoro

Fa ny làlana tiako hombàna

Feno lomotra sy atsoro



Dada o! I Neniko iny

Izao mangina ankehitriny

Ilay akany tonga haolo

Miara-miondrika daholo

Izany rehetra izany

Raha dinihina tomany

Manambara fa ny tsiahy

Tsy mety maty toa fanahy

Partager vetson'ny kamboty

Commenter vetson'ny kamboty

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe BARIJAONA

Suite