Ataovy izao ho fahatsiarovana ahy
dia ny fampihavanana
fa andro iray tena mampiombon’aina
amam-panahy amiko.
raiso ka sotroy
indro ny Rako ho famonjena
raiso koa ny mofo
hano mba ho fifanekena.
fa ra sy vatako ity
porofo fa tena tia
antsika tokoa i Kristy.
Fa tena sambatra tokoa izahay
raha mandray ity sakafom-panahy
ka hatsiaro lalandava sanatria koa ny hanadino
ilay fiombonan’aina vao avy aminao.