Tompo ô, isaoranay eram-po
Fa natambatrao ireto olon-droa
Mba ho tokan-trabo naorinao
Ho lavitry ny jaly hiadana hatrany
Ny tokan-tranon’izy ireo
Mba alokalofinao
Omeo fara sy dimby
Ho andry rahatrizay
Taranaka ho soa
Tsara tso-dranonao Jesoa
Taratry ny tena didy lehibe
Fitiavana sy hafanam-po
No nampiray tokoa IZANY FO
Maria ô mba tahio ny diany
Na ho soa na ho ratsy hifaliany
A/C: Johary.J