4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Rehefa any - 'Zay



- Ny fiainana dia toy ny rehetra,

   tsy maintsy misy fetra.

   Tsy afaka hijanona ety ho mandrakizay...

   ’zay no lahatry ny RAY!

- Ka raha ho avy ilay andro voatondro,

   hialako ety an-tany.

   Ka hoesorina indray tsy ho eo anilanao...

   dia izao no ambarako ANAO!



  " Tsy mba hanana ahiahy aho rehefa any,

    tsy hanenina aho na dia kely aza,

    tsy hisento koa,na hitomany,

    f’efa teo anilanao tety an-tany...

    Ka hiandry am-pitsikiana ’lay fotoana,

    ’zay natokany hiaviana...

    Hanoy indray ’reo ’zay tsy vita,

    ’LAY FITIAVANA TSY METY HO RITRA...

    Hanoy indray ’reo ’zay tsy efa,

    ’LAY FIARAHANA TSY HANAM-PETRA... "

Partager rehefa any

Commenter rehefa any

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe 'Zay

Suite