4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ianao ihany - 'Zay

Teo aminao no mba nahatsapako
Izany atao hoe tena fitiavana
Avy any aminao no nahalalako
Ilay tena fahasambarana

Fantatro fa ianao tsy hoe tonga lafatra
Na antsoina koa hoe fanamperana
Saingy ianao ihany no aiko nomena
Fitia feno tsy aiko ho ferana

Ka na iza ho sahy ilaza na iza koa itabataba
Fa hoe tsy azoko atao ny mitoetra eo anilanao
Ilay foko mintsy no efa tony tsy ahita intsony
Tsy afaka itia olon kafa afa tsy ianao

Fantatro f’ianao tsy hoe tonga lafatra
Na antsoina ko hoe fanamperana
Saingy ianao ihany no aiko nomena
Fitia feno tsy aiko ho ferana

Ka na iza ho sahy ilaza na iza ko itabataba
Fa hoe tsy azoko atao ny mitoetra eo anilanao
Ilay foko mintsy no efa tony tsy ahita intsony
Tsy afaka itia olon-kafa afa tsy ianao

Partager ianao ihany

Commenter ianao ihany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe 'Zay

Suite