4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ho avy - 'Zay

Tsinjoko ianao any lavitra any

Lavitra sento sy tomany

Miandry ahy foana, miandry ahy hatrany



Izaho koa aty ravo tokoa

Mientanentana ny fo

Efa tsindrin-daona te-hahita anao

Sy ny fitiavanao



Ref : Ka na ho hafanana toa mandoro

Na ho hatsiaka mamanala

Hotongako foana ny any aminao

Na ho aizim-pito tsy ahitana

Na ho oram-be mivatravatra

Hotongako foana ny any aminao



Tsy mba ho avy amin-tanam-polo

Fa ilay fitiavana iray manontolo

No hoentiko ho anao, omeko anao anio



Ianao koa tsy zaza intsony

Ka sanatria mbola hidongy

Fitiavana hafahafa akoatr’ilay

Fitiavako madio



Ref



Hifampizara fitiavana

Sy hifampita hafanana

Hanohy hatrany ilay fiarahana

Ka ilay lanitra ho manga

Hofenointsika ireo izay banga

Fiainana feno fitiavana





http://tarikazay.alterlinks.com/

Partager ho avy

Commenter ho avy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe 'Zay

Suite