4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsotr'izao - 'Zay

Tsy hanihany na kilalao

No mahatonga ahy hitia anao

Fa fitia avy ao am-po,

Lay tsy mba mety ho lo

Fitia tsy rendrarendra fa ho doria



Tsy haitraitra fa tena tia

Vonona mihitsy ny hiara-dia

Vonona hamafa ireo lasa, hanolotra ho anao

Fitiavana mandrakizay vaovao



Tsy hoe hilaza fa izao rehetra izao

No atolotro ho anao

Toa ho nofy ihany izany

Fa izaho sy izay mikasika ahy rehetra

Fitiavana tsy misy fetra

No omeko anao tsotr’izao !



Ka raha mbola misy any ho any

Manambara aminao toy izany

Ho ento aty raha sahy miteny

Hilaza ombieny ombieny

Fa manana fitia ho anao toy ny ahy !



Tsy hoe hilaza fa ny volana eny ambony

Irony kintana irony

No hatolotro ho anao

Fa izaho sy izay mikasika ahy rehetra

Fo, fanahy, saina, toetra

No homeko anao tsotr’izao !



Tsy hoe hilaza fa izao rehetra izao

No atolotro ho anao

Toa ho nofy ihany izany

Fa izaho sy izay mikasika ahy rehetra

Fitiavana tsy misy fetra

No omeko anao tsotr’izao !







                                        ‘Zay

Partager tsotr'izao

Commenter tsotr'izao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe 'Zay

Suite