4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy andriko - 'Zay

Efa ela aho no nandondona teo

Efa ela aho no niantsoantso

Fa tsy nivoaka ianao



Ilay olona sendra nandalo teo

No mba nilaza tamiko fa

Efa tsy tao ianao



Nisy taratasy efa napetrako teo

Mba hoe hampandre anao

Saingy mety efa nifindra toerana

Na notsofin’ny rivotra



Ref : Tampoka be ny fandehanana

Tsy nahafahana nilaza mialoha

FA raha ilay fitiavana

Sanatria tsy mba ho lo



Na dia teo aza izany rehetra izany

TSy nisento aho, tsy nitomany

F’efa lalim-paka ilay fitiavana



Ilay fotoana efa nifanomezana

Toa tsaroako hoe lavitra loatra

Ka tsy andriko



Efa tsy nanatena aho ny hahita anao

Fa naleoko nandramana ihany

Sao mba tao ianao



http://tarikazay.alterlinks.com/

Partager tsy andriko

Commenter tsy andriko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe 'Zay

Suite