4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy hohadinoinay - 'Zay

TSY HOHADINOINAY



Raha izao fiarahantsika izao,

Indrindra ireo zavatra natao ;

Sahinay milaza ankehitriny,

Ouh! Ouh! … tsy hohadinoinay



Ireo andro feno fifaliana,

Ireo ora izay toa nijaliana,

Nefa izaho sy ianao tsy nifandao

Ouh! Ouh! … tsy hohadinoinay



Fa fahatsiarovana hitoetra,ao am-pontsika rehetra

F’izao fiarahantsika izao tsy mba ho lao!

‘Sika rehetra any afara,dia samy hikalo, hitantara

hoe nisy fiainana taloha toa soa tokoa!



Koa ndeha samy hanandratra ny feo ,

Fa raha izaho sy ianao tsy mba ho leo,

Dia samy hikalo sy hihira hoe:

“Ouh! Ouh! … tsy hohadinoinay “



Rehefa any aoriana any,

Raha mbola velon’aina ihany

Dia averina eto indray ‘reo fahizay

Dia samy hikalo, hitantara

Amin-janaka amam-para hoe:

“nisy fiainana taloha toa soa tokoa!“



… tsy hohadinoinay

… tsy hohadinoinay!

Partager tsy hohadinoinay

Commenter tsy hohadinoinay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe 'Zay

Suite