4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy mety afaka ao an-doha - 'Zay

Taona maro lasa izay,

tsy nihaonantsika izay

Saingy hatramin’zao aloha,

dia mbola tsy afaka ao andoha

Ireo natao teo aminao,

heno foana mihelohelo ao

Asa ianao raha hoatra ahy,

mbola mahatsiahy



Tsy hoe lafatra daholo,

ireo rehetra manontolo

Saingy tsapa fa mitoetra,

ireo fahatsiarovana rehetra

Ireo natao teo aminao,

heno foana mihelohelo ao

Asa ianao raha hoatra ahy,

mbola mahatsiahy



Na ireo vazivazy izay fanaonao

Mandalo foana ao an-tsofiko ao

Na ireo adiady izay nandratra ilay fo

Mbola reko avokoa, tsy mety afaka ao an-doha



Mahatsiaro ka miverina,

ireo tsiky sy ireo sento

Fa tsy ho averina intsony,

ilay tantara izay efa nikoa

Ireo natao teo aminao,

heno foana mihelohelo ao

Asa ianao raha hoatrahy,

mbola mahatsiahy



Na ireo vazivazy izay fanaonao

Mandalo foana ao an-tsofiko ao

Na ireo adiady izay nandratra ilay fo

Mbola reko avokoa, tsy mety afaka ao an-doha

Partager tsy mety afaka ao an-doha

Commenter tsy mety afaka ao an-doha

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe 'Zay

Suite