4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy miova - 'Zay

   Raha handeha any ianao

Hendeha lavitra

Mba hikaroka ireo mahasoa

Any mantsy no misy

ireo zay tadiavina

Hanatsaratsarana fiainana

  

   Tsy hihaona indray

Izao sy ianao

Mandritry ny fotoana ela be

Nefa aza manahy

Fa raha ilay fitiavana

Efa voatokana ho anao sy ho ahy



ref: Tsy miova e tsy mifindra

Ilay fitiavana fa lalina ao am-po

Tsy miova e tsy mifindra

efa voasedra ka tena ho doria



   Mety ho maro tokoa ireo fakam-panahy

mety handrikotra eny an-dalana

satry irery tokoa ka mahasarika

ireo mpananihany sy mpisompatra

Lavitry ny maso koa moa

hoe lavitry ny fo

tsy ho ekeko izany ho disoiko

ho porofoiko hatrany fa hianao

ianoa ihany

ianao irery no tokako eto an-tany



ref: Tsy miova e tsy mifindra

Ilay fitiavana fa lalina ao am-po

Tsy miova e tsy mifindra

efa voasedra ka tena ho doria



ref: Tsy miova e tsy mifindra

Ilay fitiavana fa lalina ao am-po

Tsy miova e tsy mifindra

efa voasedra ka tena ho doria




Partager tsy miova

Commenter tsy miova

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe 'Zay

Suite