4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira 'lay tovolahy - Charles Kely

Valalanina ry lahy ny sainy

Toy ny zaza very teny an-dalam-be

Ilay lalana mody tsy hainy

Sakodiavatra efa ela be

Fa mitselatra ao anaty fo

Toa varatra mipoaka an-tampon-doha

Raha    mibanjina

Malefaka fijery

Maso roa  baribary manga kely

Joba  kely iray mitsiky toa anjely

Dingan-dava iray manao tari-dositra

Toa hazakazaka naraha-tosika

Fijery mitolila te hiery

Efa liana  saingy mbola tsy ampy hery



Te hanantona kanefa tsy amporisika

Hiresaka mangina, hibitsibitsika

Sanganehina tokoa ilay tovolahy

Misy hery toa manankana asa lahy

Be fitiavana kanefa toa tsy sahy



Fa nangotraka, nahamay

Misamboaravoara toa tsy hay

Fidoboky ny fony ê !

Efa tsy voafehy

Tinaitra tamin’olo tsara tarehy

Mitamberina ao an-tsainy ny lasa

Ratra vao mafana ka tsy voafafa



Isika tamin’izany ê !

Gagagaga ihany

Mahita tovolahy latsaka tomany

Henjakenjana ny fiainany lasa

Aza mba maha voa ny tenanao fa asa

Zany hoe andefo-mandry nolalaina

Notiavina sy nokarakaraina

No mivadika aminao aty aoriana

Voky lainga avy amin’ireo fianankaviana

Vao nahazo toky taminy ity vahiny

Dia namikitra toa zaza virijiny

Mody adala dia ianao no nomena tsiny

Tohatra fiankarana no mba niantsony anao hatramin’izay

Tinaitra tamin’ny fiara sy trano be iray

Nanjary toa hadino ilay ho mandrakizay

Tsy mitodika miherika intsony

Fa hoe tafajoro amin’ny rihana ambony

Ny zaza tamin’izany ê

Gagagaga ihany tsy latsaka tomany

Lasana vinany





Anefa anie izahay mbola miteny hoe

Ô ry tovolahy, mahereza mitrakà

Alefa ka aza arahina alahelo ê !

Zay lasa tsy nahomby

Ny ho avy indray banjinina

Aza hilaozanao midongy

Raiso ka tendreo ny gitara fa mbola mankafia

Zahay mbola mino tsara

Fa tsy vola eny an-tanana

Tsy fiara, tsy fananana

No entina mamaritra

Ny tena hasambarana

Koloy fa aza havela

’lay hatsaram-panahy manampy

Ny talentanao sao dia very

Ry tovolahy sao dia very

Lakalaka ny fiainana

Tsy afaka hitarainana

Ampy’izay ny fihetrena

Ho diso lalan-dava

Kaloy fa aza avela

Ny mozikanao tohizo

Fa rahampitso dia hisava

Ny alahelo ê ! ry tovolahy

Ny ho avinao jerena

Fa sao hanjary zary hagegena

Raha vao tapitra ny vazo

Dia miverina avy hatrany

Eny amin’ny tavanao ’lay tsikitsiky mamy

Dia hanantona anao

Hifamihina aok’izany

’lay kala bary maso

’lay mangamanga maso toa anjely

Ry tovolahy, ny ho avinao jerena

Fa mbola miandry

Miandry manantena



Dia miverina avy hatrany

Eny amin’ny tavanao ’lay tsikitsiky mamy

Dia hanantona anao

Hifamihina aok’izany

’lay kala bary maso

’lay mangamanga maso toa anjely

Ry tovolahy





CHARLES KELY

Partager 'lay tovolahy

Commenter 'lay tovolahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Charles Kely