4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mamy ny anilanao - Charles Kely

MAMY NY ANILANAO







Mila tsy ho andriko ny Asabotsy

Mba hamonjeko ny anilanao

Na efa vizana avy any an-tsekoly

tsy hadino ianao

Dia samy sambatra ery tafahoana

Samy sondriana nifanafosafo

’Reo tebiteby aza nanjary foana

Nikipiana maso



Ao ireo be fihaingo manintona maso

Toa miantso fitiavana antsokosoko

Izy tsy nahomby ka nanao ankaso

Kanefa ianao no toa tsy mba foiko

Mamy dia mamy ny anilanao

Ka tena mangidy rehefa hifandao

Isika anie mbola tsy hahavita tena

Fa samy eo anilan’i Dada sy Neny



Indreny isika malaina hifandao

Satry hifampiondakondana eo foana

Tsy misy mamy toy ny anilanao

Nefa atao ahoana

Nafanafana ny fitiavantsika

Ka tsy tsaroana ny andro hariva

I Neny sy Dada izay samy masiaka

No hanivaiva

Izy ireo no mananatra antsika hatrany

Toa tsy nahatsapa ny herin’ny fitia

Tsy inona anefa no anton’izany

Fa mbola fitiavany antsika sy indry





CHARLES KELY

Partager mamy ny anilanao

Commenter mamy ny anilanao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Charles Kely