4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ifarakely - Charles Kely

Fa nahoana kay indry ry Fara

No verivery saina toy ny adala

Toa variandriana, miteniteny irery e

Indraindray toa lasa vinany e



Farakely ange ka sariaka

Zazavavy tia mitsikitsiky

Fa tato ho ato ianao ô

Miova ho nasikasika

Tsy tamana firy ato an-tranontsika



Tsy ny lalao vovoka intsony

Na ny lalao saribakoly

No lalao mahavariana anao ô

Fa nanjary jejojejo

Lasa tia mirenireny

Miaraka amin’ireny tovolahy ireny



Sady izay indray ianao

Nahazo lesona vaovao

Amin’ny fito hariva vao miditra ny trano ô

Ianao dia zaza bodo

Raha misy fahavoazanao

Dia ny ato an-trano no hahita angano ô



Raha ny bika sy ny hatsarana

No entinao idoladolana

Ho avy eny aminao Rafahasimbana



Aza dia manao hadalana

Sao hanenina rehefa avy eo

Ka hihomehezan’ireo tovolahy ireo



Fomba ahoana indray izao ry Fara

Sao ianao mba mety hahalala

Ny hamerenana indray

Ilay toetranao hatrizay

Ireny anie no mety hahitana ny soa



Izaho moa ve miteny izany a

Tsy hoheverinao ho olona adala

Tsy mba liam-pandrosoana

Fa tavela eo foana

Tsy ho laitra izany ka aleo hangina

Partager ifarakely

Commenter ifarakely

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Charles Kely