4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsofy rano - Charles Kely

TSOFY RANO







O ! aza malahelo ê !

Manao ahoana ê !

Aza avela hisarovarovana intsony

Ny lasa taloha ê !

Fa manjary mitondra alahelo

Ao am-po sy tsy mahasoa

Aza avela hitamberimberina intsony

Izay tsy nety omaly

Fa manjary mamelona sento ao anaty ka mampitomany



Iê ê

Fa ny ho avy no andrandrao

Dia ny ampitso no ala mino

Kilalao mbola ho ela

Diavolan-kolava

Mahaiza mitady

Iê aza avela hanamontsana antsika ny ady



Aiza ê ianareo ô

Manao ahoana ê

Mbola tsara ê

Karakôry ê



Aza arahina latsa sy kafarafara ny zavatra vita

Fa maoizona dimby sy fara tsy mety ho tafita

Fa tsofy rano izay omena

Dia mba tantano mba tsy hivena

Kilalao mbola ho ela

Diavolan-kolava

Mahaiza mitady

Iê aza avela hanamontsana antsika ny ady

Tsofy rano izay omena

Dia mba tantano mba tsy hivena



Kilalao mbola ho ela

Diavolan-kolava

Mahaiza mitady

Iê aza avela hanameloka antsika ny ho avy

Mba tsofy rano







CHARLES KELY

Partager tsofy rano

Commenter tsofy rano

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Charles Kely