4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zoma - Charles Kely

ZOMA





Zoma

Hitako omaly Rabe teny an-tsena

Teny an-tsenan-joma mahoraka ê !

Tazako nividt akanjoba

Sady mbola nanampy tsiakoraka ê !



Tsaratsara zareo ny adi-varotra

’lay fomba Malagasy

Tsy totan’ny ela io ry zama

Fa aza adino ny miady varotra

Mamelona fianankaviana

Teo ny fahantrana izay mitondra ahiahy

Mahita vahaolana amin’ny tsenan’Anjoma

Fa tsy totan’ny ela

Zoma



Fa tazako indray Rabe omaly hariva

Miraikiraiky sahirana ê !

Ilay haro-kely tsy feno fa iva

Ny tenany koa miha-vizana ê !

Zoma

Trano be tsy mba misy adi-varotra

No solon’ilay  Zoma

Tsy totan’ny ela



Io zama fa aza adino ny miady varotra

Mamelona fianankaviana

Teo ny fahantrana izay mitondra ahiahy

Mahita vahaolana amin’ny tsenan’Anjoma

Fa tsy totan’ny ela

Fa tsy kivy Rabe

Zoma







CHARLES KELY

Partager zoma

Commenter zoma

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Charles Kely