4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lasa ianao nandeha - Charles Kely

LASA IANAO NANDEHA





Tezitra ianao raha vao misy manontany hoe

Iza no anaran’ilay rain-janakao tany

’Zahay mba liana te-hahalala

Lazainao manadala

Rehefa manontany dia hoe mananihany

Fa toetranao hatrin’ny ela ilay masiaka be

Indrokoa moa dia malaza hoe tovovavy tsara tarehy

Tanora teto amintsika sondriandriana taminao daholo

Ny lazondazony aza misy potika sy toro



Tezitra mafy indry rehefa anontaniana

Hoe iza no tokony ho lohan’ny fianankaviana

Nanepoka any ho any karana be vinany

Noheverinao fa tsara

Dia lasa ianao tsy tana

Maika loatra indry, maika ny ho tafita

Tsy misalasala fa dodona raha vao nahita

Leo ny fahantrana, leo ny andraso andraso

Dia lasa koa mba nanandrana

Izay tokantrano maso



Dodona sy maika ianao indray hariva

Raha ahita mpivahiny miambozom-bolamena

Sy mianjaika tamin’ny fitafiana lafo vidy be

Indro kopan-tanana indray mandeha

Avy eny ambonin’ny fiara

Hazakazaka ny anao raha vita resaka

ary tsy ela koa dia vonona ny handeha

Efa lasa nirifatra any ho any

Ilay fiara tongo-droa natao taingin-droa

Ka ny volonao nikopaka no sisa tazanay

Vao mba nisy taratasy nanambara hoe

Veloma ianao ry Dada sy Neny

Fa tafita soa aman-tsara hono Ikalafara

Lavitry ny jaly sentosento sisa ny an’i Dada

Alahelo miavosa ny an’i Neny

I zandry kelinay toy ny zaza

Milalao vovoka irery

Sipa kely be dia be nitsiriritra

Fa ilay zandry kelinay nipitrapitra

’Zany mantsy hono, revy fa tsy ditra ho an’ireo



Nangingina ery ny tanàna

’Zahay nihanahana

’Zahay nangasihasy

Tsy mba nahazo taratasy

Lasa ianao nandeha

Tsy nandalo nametrapetraka ny veloma

’Lay namanao ve nariana

Sa kosa tena nohadinoina

Nangingina ery ny tanàna fa lasa ianao

Nangingina ery ny tanàna fa lasa ianao nandeha

Nangingina ery ny tanàna fa lasa ianao



Tsy hitahita firy ianao tato ho ato

Rehefa harivariva ny andro

Tsy mandeha mitsangatsangana intsony

Toy ireny fanaontsika taloha

Na irahina mividy siramamy sy kafe

Vao maraina aza ianao

Dia mandeha am-pahalainana tokoa

Fa tsy vokatry ny fo

Endratrendratra aok’izany

Raha mahita tovolahy sy tovovavy

Miara-dia an-dalam-be

Mahatsiaro ilay fiarahana hatrizay

Izy ireo nangasihasy raha nahita anao nifindra lasy

Saingy izao, manjary lesona ho anay

Ny fahitana anao miverina eto indray

Sentosento sisa ny an’i Dada

Alahelo miavosa ny an’i Neny

Mahita andry marary

Mitanondrika mitaiza zaza sary

Izy ireo tsy mbola kivy

Fa mihezaka mamita ny adidy

Mankahery sy mananatra hatrany

I kala tokany mitomany



CHARLES KELY

Partager lasa ianao nandeha

Commenter lasa ianao nandeha

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Charles Kely