4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira 1.500.000 - Sareraka

1-Efa hitako teto.Mbola hitako eto

nanjary niova làlana tsy hita popoka

ny vola nosamborina hanamboarana làlana.Izaho mangina.

Efa hitako teto mbola hitako eto

na isam-pirenena sy ny isam-bahoaka

natahotra gadra sy basy nipoaka.Izaho mangina

Efa henoko teto, mbola henoko eto.

Niova lasy sy trasy na very sasaka

ny vola nosamborina hanamboarana barazy.Izaho variana

Efa henoko teto .Mbola henoko eto

Ny tsy mahay abidia mana- kara-panondro

ny tsy mahay sonia mahay lavo-tondro .Izaho variana

Efa niainako teto .Mbola iainako eto,tsy ampy totaly na lanindry valy

n’ino trosaina hahasoa hopitaly .Tsisy fanontaniana

Efa niainako teto .Mbola iainako eto

Na CRESAN na Banque mondiale

Izaho fanina mitady izay ho hanina

tsisy fanontaniana

Efa nisy teto,mbola misy eto

lasan’anjely lasan-devoly ny devizy trosaina

hahatsara sekoly

efa nandaniana

Efa nisy teto mbola misy eto

Efa niainako teto .Mbola iainako eto

na Cresed na  Fid na Fed dia mitsikera izany dia mpirediredy

Izaho koa fanina mitady izay ho hanina .Tsisy fanontaniana



Efa nalaza teto,mbola malàza eto

Ampahin-kelin-karena dia ampy anefaina

Ny trosam-pirenena dia mahavita tena.Izaho foana no romotra

Efa nalàza teto ,mbola malàza eto

Feno rainizavona ny bokim-pitsaràna

Maty toy ny voalavo ny filoham-panjakàna.Zaho foana no romotra



Mbà hiteny aho leitsy .Ka lazao e

Izaho leiretsy tsy anak’azà

Koa ianaran’ialahy atao tàtà

Itanisàna kabarim-bazàha

Manan’anaka maro mahay raha

Nomba aiza ilay drala .T@ TANA

Aboahay mazàva raha tena lehilahy

hatramin’ny ariary raha toa tena sahy

Tsy ritra ny vorona tamy TANA

Gasikara tsy mendrika hitono gàgà

Izay tsy manan-kavaly mikisakisaha

Ny tompom-bola tsy te hahalàla

Rehefa trosa dia trosa ry Malàla

gasy iray kitapo ka iray vala

gasy daholo na ny adàla



Telo hetsy isan’olona be izao no efaina

na zaza vao teraka androany maraina

na antitra andrasana hiàla aina



Ny tompom-bola tsy te hahalàla na laninareo t@ valàla io

tsy te hahalala e na laninareo t@ tsipàla io

tsy te hahalàla e na laninareo t@ sipa sy kala

tsy te hahalàla e na laninareo t@ fihinanan-draha

tsy te hahalàla e na laninareo namangiana vazaha

tsy te hahalàla e na laninareo nanamboatra villa

tsy te hahalala e na nafitoko lova ho an’ny zana-drangahy

tsy te hahalala e na laninareo t@ ati-doha

tsy te hahalàla e na laninareo nitsaboina kisoa

tsy te hahalàla e na nivorianareo taroa

tsy te hahalàla e na laninareo t@ récéption

tsy te hahalàla e na nanaovanareo ki -affectation

tsy te hahalala e na nanampitapenanareo sekoly

tsy te hahalàla e na laninareo t@ asan-devoly

tsy te hahalàla e na laninareo t@ fialam-boly

tsy te hahalàla e



Trosako anefa no fepetra

tsy maintsy hefain’ny gasy rehetra

tsy ho azon-tsapona  hoa ilay mahery e

mila kaonty madio fa tsy kaonty voretra

tsy maintsy hefaina @ haba sy hetra

tsy ho azon-tsampona hoa ilay mahery e

ny tompom-bola tsy maintsy masiaka

ny mpanefa dia olona fa tsy aliaka

tsy ho azon-tsampona hoa ilay mahery e

na laninareo nividianana marina

ny gasy rehetra lery te hiarina

tsy ho azon-tsampona hoa ilay mahery e



2-Efa fomba teto ,mbola fomba eto rehefa tombo-tsoa na hetra divisé par 6

tsy ankanisa mponina miara-mifatratra.

Tsy ankanisa mponina

Efa fomba teto ,mbola fomba eto

na CFD na pont 6 mifatratra etsy,  tsy mikàpa ny ankizy. Miara-mifatratra

Tena fanao teto ,mbola fanao eto

izay mety loloina trosa efaina divisé par dix

tsy misy foko voatonina

aleo ankamantatra

Tena fanao teto mbola

Efa niainana teto,mbola iaianana eto

aleo ankamantatra

Efa niainana teto ,mbola iainana eto

na zarin’antoko ny fananan’ny mpanampaka

ny fitaovampanjakàna ny trosa efaina

isika mifatratra

efa niainana teo ,mbola iainana eto

na USAID na BANQUE FRANCAISE tsy maintsy mahazo jobily lehibe

isika mifatratra

zava-misy teto,mbola misy eto

tsy maha mahamasiapitsarana ny mpiakamakama

na varo-boba orin’asampanjakana

zava-misy teto mbola misy eto

zava-misy teto,mbola misy eto

ny vokatra miondrana tys mandalo doany

efa hitanao teto ,mbola hitanao eto

ny mpandraraha tsy maintsy voahotra

tsy mandoa tsolotra ambonin’ny haba sy hetra

isika miara-manefa

efa hitanao teto ,mbola hitanao eto

volany azy tsy maintsy miteraka

tsy papan’ny gasy mba ho ambony resaka

isika miara-mandeha



Mbà hiteny aho lesy

ka lazao hoe

izaho leiretsy tsy zanak’azà

koa ianaran’ialahy atao tàtà.......

........

tsy te hahalàla,na laninareo t@ resaka antoko

tsy te hahalàla,na nozarazarainareo isam-poko

tsy te hahalàla,na lani

tsy te hahalàla,na lany namadihanareo diky

tsy te hahalàla, na laninareo nanampenana vavambahoaka

tsy te hahalàla e....

tsy té hahalàla,na laninareo nanamboarana tafo

tsy té hahalala,na laninareo t@ revy sy ditra

tsy te hahalàla e na laninareo t@ saka sy ny aliaka

tsy te hahalàla e...

Partager 1.500.000

Commenter 1.500.000

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Sareraka