4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mondialisation - Sareraka

E areheto kely ny jiro misy tsy mazàva

e avelaro indraiky ny tsihy e fa hifanazàva(2fois)



1-Ny mondializasiôna no baiko tanisaina eran-tany

karazam-biby toa mahafinaritra

karazan-teny toa mampatavy

mahazo ampaham-pandrosoana

mahazo ampaham-panompoana

mahazo ampaham-palotoana

mahazo ampahan’abadoana



manao fanitsiana ara-drafitra

-izay mpisalàka sy mpisilipy

vonona handàlo fotoan-tsarotra(2 fois)



KA INONA NO TSY MARINA AMIN’ IZANY (5fois)



2- izany mondializasiona tsy maintsy iainana isam-baravarana

mivenjivenjy toy ny amboa,ny resy ampifaninanana

tsy haiko izay tsara sy tara

fa tsy hay na ahoana na ahoana i Gasikara

mbola tsy mahita raha ho valiana

fa dedadedaka @ fisiany

mbola tsy nahita tanisaina t@ bara

mbola tsy nahazo akàma vezo

antakàrana ,amtanosy ,sakalava,masikoro,tsimihety,bongolava

tsy mahita zava-atolotra e

tsy mahalàla izay mikera be

-vola gasy aza manam-petra

izao dia izay diso no manadevo(2fois)



-e areheto kely ny jiro...

e avelaro indraiky ny tsihy ...(2fois)



Olombelo RICKY:inona indray no tsy mazàva (2)Sareraka a inona indray no tsy mazàva maniry aty Madagasikara angaha izany mondialisation izany?



3-mondializasiona no hany fanitsiana ara-drafitra

tsy didin-kena an-katerena

izaho avy no mifady hena

vita varotra t@ FMI

zatra be no homana demi

manambady banky mondiale

be loloha no tsy homan-kanina

mitady bazary vita rary

-voasolo sachet sôlefanina

sikina satroka malabary

nosoloiny fripy,ny vaky balle

mitady bazar vita rary(2 fois)

voasolo sachet sôlefanina

KA INONA NO TSY MARINA AMIN IZANY(5fois)



4-mondializasiôna no sehatra malàza hivelarana

ny ory tsy havan’ny manana

ny mahia tsy lelafin’ny namany

tia serasera koa tia vao

ny azy dia miditra be lazao

fa reraky ny nanao lahasa alina

alikany any dia lasa ambany

fa ireto mpanao politika

mpanao ankila sy andaniny

be lazaina izao ny amerikanina

-tsy ahoany tsy ahoany izay maty noana

refa be azy ny haditràny(2 fois)



-e areheto kely ny jiro...

e avelaro indraiky ny tsihy(2 fois)



Olombelo RICKY: tsy mahalàna  an’izay tantaran-drazany fa variana manao adim-poko ny gasy nefa maty noana natakalo pesta,zaoridira,fako, varahina..



5-mondializasiona no filamatra vaovao hitondràna tany

fa iza no tsy mahitsy ara-drafitra

dadan’ialahy ve ara-drafitra

nenin’ialahy ve ara-drafitra

lazain’ilahy ve ara-drafitra

sipan’ialahy ve ara-drafitra

-miova ny revy izay mamaritra(2 fois)

tsy misy intsony fa tena lasa

izay mahay mamalia mialoha

-iza no tompon’ny ati-doha

iza notompon’ny tombo-tsoa(2 fois)

KA INONA NO TSY MARINA AMIN IZANY?(5 fois)



6-miova finoana ny ambony tany

ny drala zanahary ben’ny tany

taratasy firy ambony tany

devizy no mpanjàka @ izany

rafitr’iza rafitra avy aiza

mpitarika antsika efa tsara taiza

fa an’iza kay ny taniko e

bête noire ho an’ny firenena

raha motera lahy ny firenena

-nampianarina ho fetsifetsy

ny abidiany dia mangala-tety(2 fois)

e areheto kely ny jiro ...

e avelaro indraiky ny tsihy...(2 fois)



Olombelo RICKY: rahoviana ihany ary vao hazàva ny raharaha eto @ tanàna ity e?

be dia be no mbola tsy mahay manisa tsy mahay mangala-tety



7-Mondializasiôna no bakiraro hany an’ny repoblika

fa gasy foana hatrany faladia

na betsileo na zafindraminia

ahoana lesy LITA ny amintsika

ialahy mafàna fo @ pôlitika

toa sonian’olo3 miaraka

sady toa olona 200

no mibaiko ny fiainantsika

dia raikitra ny antoka sy trosa

-iza no làlana sy barazy

hefain’ialahy hatramin’ny zafiafy(2 fois)



KA INONA NO TSY MARINA AMIN IZANY?(5fois)



8-seraseran’ny environemment

vola tsy mampisy masindahy

tsolotra efa 20%

manginy fotsiny ny TVA

miverina ny karatra isan-dahy

mandom-bera ramatoa SIDA

misari-gaigy izao ny maha rangahy

-fa jenjina hatramin’ny avara-pi

miatrika ny baikon’ny FMI(2 fois)

e areheto kely ny jiro e...

e avelaro indraiky ny tsihy ...(2 fois)



Olombelo RICKY: loza ity zalahy(2) tsy areti-kibo angamba ity ka ho sitrana GANIDAN



9-fa jenjina hatramin’ny avara-pi

miatrika ny baikon’ny FMI

te hahazo vahana @ fitantanana

manangatsangana fikambananana

tsy lohoolona any am-piangonana

mpisolo vava ny tsy velon-komana

tsy mahazo vahana any anaty antoko

mampijoro  fikambanam-poko

votsavotsa tany am-pianarana

miverina manao tety harana

ikotofetsy t@ tany ngazana

milàza ho tia tanindrazana

-mitarika mifehy mikipia

mijoro ny société civile(2 fois)



KA INONA NO TSY MARINA AMIN IZANY?(5)

-ary i LITA  raha manana tolo-kevitra isaky ny taona vao fanontany 1 minitra ihany no ahazoa-mamaly(2 fois)



e areheto kely ny jiro ...

e avelaro indraiky ny tsihy...



10-izao ve no iainana lalandava izy mianakavy mofo akondro vava

e avelaro indraiky ny tsihy..

ilay hoe mari-pototra  teny ieràna

midadasika tsara ny fahantràna

e areheto kely ...

midadasika tsara ny fahantràna

be velarana mihintsy ny hasananàna

e avelaro indraiky ny tsihy..

tonga lafatra tsara ny fahoriana

lavorary @ izany ny fijaliana

e areheto kely ny jiro...

-fanamperana tampony ny habibiana

araviraviny ny anabavy tiana(2 fois)

e avelaro indraiky...

e areheto ny jiro e misy tsy mazàva.....

Partager mondialisation

Commenter mondialisation

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Sareraka