4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Inona ny vaovao manerana ny tany 2004 - Sareraka

INONA NY VAOVAO MANERANA NT TANY 2004





A ro valy e ts’isy farany e



Vaovao azo farany

Mahatratra 90% ny Malagasy tsy nandia sekoly sy zara raha nianatra

Afenina @ fampividina  kitapo, kravaty, akanjo izao ny fahantrana

Tsy alehany ny mpandraharaha sy ny manampahaizana Malagasy ailika gadraina

atao sesitany.

100 miliara raha anton’aina kajy tsotsotra fa samy mahantra

6000 fmg isan’olona hojain’ny zafy azo letra

rehefa tsy ampy ny vokatra sy hetra.

Miasa miaraka tokoa izao ny mpitondra sy ny vazaha

Offre d’emploi avy @ sareraka.

Mitady fonctionnairen’ny bretton wood tsy misy rà gasy

hitantana miaraka ny fanjakana Malagasy



Nozarainy foko maromaro

Hanarina ny hery mkara

Manampahaizana avo lenta  anglisy hiady à tsolotra

Raràna ny sinoa za-draharaha hanafatra PPN,

Sud africain bokonozatra avo be mitondra motard garde corps solon’ny officier

rehetra navoakan’ny akmil



Frantsay hitaky vidin-kiro sy rano

Morisianina hitrandraka fary sy siramamy

Ny Kolombianina handray an-tànana ny tsenan-drongony.



Associés vazaha manambola matahotra fanjakana sy fitsarana

Hanamboatra tatezana sy hanampina lavadavaka

Conseiller senegalais hitora-bonikazo

fa tsy tirailleur hamoha razana

Mila hongrois sy bulgare hanabe voho ny isam

Chief of staff isaky ny Region fivondronana commune

CIS GCC isam-pokontany

Mila force one vitsivisty ho an’ny havana sy ny akama mahatoky

Mitady jeune patriote havanana sy sahy @ hazalambo, fandarohana mipitokona sy

mpanohitra ary fandoroana dahalo.



Mila mpitsara tsy ao anatin’ny SMM havanana @ fitsarana vilana

sy fanamarinana diso



Adraidraidrai ……

(3 fois ) Mba miareta kely fotsiny ee

OOO ooooo

Gasy koa tsy azo sangisangina

Radio n’ambohitsitononina antoko fahaefatra

Dia voatery hiverina hiresaka aminareo indray izany zao Sareraka.



MEDITATION



{Posy fa i Rasoa  ve no mamoy fo inona ny miseho o beni oui oui…}

Avy manaiky be fahatany zato taona dia minomino fotsiny ihany roa taona.

Ary manantena vary masaka hamidy amin’ny boatina madco



Hiaka sy baikom-pitolomana noforomporonin’ny mpilalao politika

dia nahavoafitaka antsika.



"Eto miakatra e miasa miaraka vahoaka paraka,

vahoaka raraka"

Dominy tapany dia mandoa erany e



Miareta kely fotsiny ihany,

vakio impito ny bokin’ny torovohana

nosoratan’ny apostoly Naina Germain  

toko fahafito andininy fahafito ao anaty Baiboly fito.



MEDITATION



Nozaraina 4x4 sy VolsWagen tsy fantam-piavina ny depiote sy ny Officiers

Lasa DeSylla Marc fa tsy Deputé intsony ny eny Tsimbazaza

Nikivorivory hotran’ny olona roa teny @ 13 mai no nampigadra an’i Victor Huong

Raha izao no mitohy dia ho lasa mpanjaka ny Filoha.

Miovaova eny am-panindinana ny andininy ao @ lalam-panorenana

Jeren’ny HCC hotran’ny tany nahalavoana

Aza gaga raha grands electeurs no hifidy Filoham-pirenena



Rainizavona ny amare proof  sy Helico hiadivana  @ dahalo

3P Promotion sy paty ho hanin ’i Presidentielle angamba



Kely sisa dia ho resin’y Groupe TIKO ny Groupe MacDonald

3P Paiso Paoma Poara ny vahoaka malagasy





Mifankatiava ianareo toy ny nitiavako anareo hoy i Kristy, saingy voatsodranon’ny

FFKM ka mandà fihavanana angamba ny TIM

Ka mody mivavaka alohan’ny Fivoriana fa mandà amnistie

Mihiboka @ maizina na misy  diavolana ô Mon Ami



Azo atao tokoa ny Karama farany ambany 1 350 000 fmg

Raha ts’isy detaxation ho an’ny orin’asa toa an’i TIKO hatramin’izay;

Lavin’ny kardinaly Marolahy ny fampiasana bonnet plastika,

hadinon’ny Filoha ny nandà an’i satàna satria be herehana izy.



Ref:



Herinandron’izao tontolo izao

Aleo idray zao halambahoaka toy izay halan’andriana

Maty tsy voatsara ny colonel Botomora iray vohi drazana @ Premier minisitra Sylla.

Resin’I Sylla Williams I Dally Randiantefy

Mivorivory eny Iavoloha sy Ambohitsorohitra ny zafim-paladian’andriana

Zara raha manangana fanjakan’andraina ts’isy andevo angamba ry zareo

Tehirizin’ny mpinompino foana ny biletan’ny TIM sao mba hiova 50 000



Maty tsy natao autopsie ny praministra Ravony.

Vony mavotany no kitay nandorana azy

May miaraka aminy ilay cause côtière

Izaho ravalo indray izao no malaza

Tsipoy amalona akanga

Tsy misy azo atolotra afa tsy voandraketa

sokatra ka very hevitra ny RAR kaleta.

Lany fanahy zokibe tsizaraina ka tsy misy afatsy ananambo soanambo

…… Ny depiote Jao Jean fa tsy mahazo mihoa bonga ny toaka gasi’ni soafia

Mitokona telo andro ny vahoaka Nigeriana dia naidin’ny fitondrana ny

vidin’ny solika

MEDITATION



Rakotra diplaoma tsy fahita eran-tany ramose. (hahahahaha)

Sahirana ny teknisiana sy ny SECES misy mpitompo teny fantatra

Misy mpitondra liam-pahefana misalovana ny asan’ny sasany

Raha izao ny mitohy dia hisy ny ho Filohan’ny Filoha

Resy lalandava toa an’i Scorpion ny tantsaha Malagasy.

Novonoin’ny arabo mahery fihetsika toy ny kisoa Nicolas berthe

Efa miroso mivarotra tanindrazana izao ny depiote

Samy miandry ny higadonan’ny mpivarotr’ olona isika mianakavy

Tsy mba maty toa ny fahiny teny amin’ny malacam ,ravolomaso fa maty tao @

staden’ambohitsorohitra

Maty noho ny fisalasalana izany ravolomaso ka dia afaka noho ny fisalasalana

Ranjokibe.

Tsy misy arakaraka toy ny mpandrava fihetsiketsehana eo anatrehan’ny aumonade

ireo namono azy

Novetavetain’ny miaramila anglisy sy amerikana ireo babo an’ady irakianina

Nandresy tamin’ny Urne I Rolly Mercia fa resy kosa teny ambony helicoptèra.



Efa sahy mamono mahafaty olona izao ny depioten’ny TIM i Mahafaritra sy

Rakotoasimbola



Milefasa ro Zakahely sao tratry ny élimination physique fa tsy assasinat politique toy

ny mahazo ny Depiote Hajan’ikalamavony.



Na dondrona na mpanavakavaka ny tsy mahay mampitovy nyDecagona sy Alma

Nodimandry i Ronald Reagan saingy tonga  ny namany Gorbatchev

Niravona hatrany am-pasana ny adimangantsika fahiny



Vita izao ny am-pahandalan’ny Praograman’i Didier Ratsiraka fa ny frais

handehanana aminy no tsy misy.



Réf:



Sao mba haingana sy maharitra ny fivadiham-pitokisan’ny Prezidà

Ny manamanana ity mihamantra izay kely anananao hesorina aminao

Mahery raha hametraka olona iray @ sezany ny Malagasy

Mifampitora-bato anefa izy raha mba hitaky hampanana ny tsy manana

Espece d’Hitler Mussolini, espèce d’idiot,de voyou

Dia hoe sambory basy izay manelingelina ahy ety,

Tifiro basy izay miseho ho mokon-doha

Atero aty ny renseignement

tsy DGIDE intsony no miandry an’ialahy fa ny CIS

Espèce d’Hitler Pinochet Bokassa

Tsy matahotra mpanohitra ny aty rangah!

……………………………….

Tokony hatao confort @izay ny fonja



Alterance democratique aza hitako aza hitako



Tsy maintsy handresy ihany ny ady @ mahantra

Dia hozaraina 4L sy Frigidaire ……

Ghana Rwanda Botswana Ouganda Liberia

Fahamasinana Fahamarinana

Izay vendra-poana ihany sisa azo ampanginina

Burundi zambie algerie lybie tanzanie

Fadin-drazana ny lahy gasy ny maty an-kazo tokana



Nigeria Cameroun Angola Côte d’ivoire Kenya

Tsy mihoa-bonga ny sokina nanani-bato

Elfreh Niger Soudan Mali Lesotho Mozambique

Izay mpihinin-drà mikisakisaha mab tsy ho azon-draha

Comore Tunisie Seychelle Maurice

Izay tsy may raha mialà



Le fou du village n’est-il pas aussi un sage? Méditation

Le fou du village n’est-il pas aussi un sage? Méditation

Ny fou du village ho’aho mba sage

A ry havako e meditation baba aa

Meditation niniko e! Méditation méditation

Fou du village = sage

Méditation méditation







Auteur-Compositeur RY SARERAKA

Partager inona ny vaovao manerana ny tany 2004

Commenter inona ny vaovao manerana ny tany 2004

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Sareraka