4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Inona no vaovao manerana ny tany? - Sareraka

Posy! fa i Rasoa ve no mamoy fo

n’inona miseho ô beni  oui oui

radion’ Ambotsitononina antoko faha 4

dia voatery miverina miresaka indray mandeha aminareo  izao SARERAKA!



Zay mitondra kôzy na mandalondalo

zay mahavangivangy

na ny tena izy na ny tsy izy ô  beni oui oui



Manaiky be fahatàny

tsy ny fanahy no atao tsara



Na ny mpanamboatra  na ny mpandrava rehefa basy vava ô  beni oui oui



Io nandaozako azy io ihany

fomban-drazan’ ny tany @ GALLIENI izao no nolovain’ny taranany hatraty



(TATA RAHELY +OLOMBELO RICKY):



eeeee ambarao anay SARERAKA  ny marina mmm mba avoakay anay SARERAKA ny marina e  aaaa......mmmm





MEDITATION!



-INONA NO VAOVAO MANERANA NY TANY?(TATA RAHELY-BALITA MARVIN-SENGE)

-tsy takatry ny kely vola izao ny atody ô

-miantso anao mangingina aho RABOZY ô (miverimberina)...



Gallieni  no vato fehizoron’ny adim-poko eto MADAGASIKARA

tsy tokony hanelingelina antsika eto ny zaza navelany fa tokony hanaraka azy

Gallieni hono no nanafoana ny fanandevozana 100 taona lasa izay

40 taona ny fahaleovan-tena no manangana andevo vaovao any anaty zone franche.

Maty serin-doha hitsonika ka andoroana fatim-bolo anie ny manjo,

fa tsy ampy ny sakafo dia mahery any an-taniny izao tsy sitran-dron’akoho



MEDITATION!



-INONA NO VAOVAO MANERANA NY TANY?

-tsy takatry ny ....



Zarazaraina fahatàny ny ràn’i JESOSY KRISTY eto MADAGASIKARA

toa hoe 666 ny litra miampy chéque avy any an-danitra

tsy ANTANANARIVO lahy intsony iarivo fa antanimarivo salosana

mandainga sy voatsaho ny foto-tsakafon’izy ireo  mbà ho leo raharaham-pirenena

Mitanantana lava miandry vonona @ mponin’ny @ faritry afrika e  

misy akoram-by sy hazo sy rano gazy tsy voatrandraka @ faritr ’i ’i AFRIKA  

vory nofo anie ny sasany deba eran-tany homa-kena sy légume

taola-mitsangana ialahy  gasikely eo anilany  fa tsy ampy vôtamine

course ny mena sofina mamboatra baomba fa efa voky belladone

AFRIKA sy ny gasy jamban’ny toerana  fa tsy ampiampy calcium ô.



MEDITATION!



INONA NO VAOVAO MANERANA NY TANY ?

tsy takatry...



20.000 logements isan-taona  no nanjavona any anaty boky mena

35.000 logements no bala roran’ny fanantenana vaovao

ary 3.500.000 logements raha sanatria voafidy farany eo  ireo

mifaninana mampiteraka  an’ AMBATOBEVOKA ny kilalao pôlitika eto amintsika

revy be dia be no nandeha hoa miandry lanitra hianjera  ho avotr’aina

miandry ny  boeing higarazy an-trano-bongo

miandry lamasinina higarazy an-tendro-kazo

maniry mbà ho lasa mponin’i any SOVIETIKA ny tany ary ry leiry rava e

maniry mbà ho lasa mponin ’i any  ZAMERIKA  nefa ny tanànany taty AFRIKA

Tadidy izao ny kabarim-pirenena

eto an-tanàna eto aza kabàry lava firaisam-pirenena

nefa ny tena lasa beten-dry zalahy

te hivakivaky isam-paritra  dia mbà hifampilako tampoka isam-paritra ô



MEDITATION!



INONA NO VAOVAO MANERANA NY TANY ?

tsy takatry ny ....



Tsy ampy intsony ny seza zaraina eto an-drenivohitry ny nosy

ka ilaina governoram-boalavo sy conseilm-balàla ny faritany mizàka tena

tsy miàsa mangina intsony ny FFKM  fa miàla any ny jadon’olo-tokana

ady vaovao tsy ho vita ny an’ny berebareba sy zaza nampianariny

HERINANDRON IZAO TONTOLO IZAO



Tapa-kevitra ny 4 ’mi fa hifidy ny mon pére PEDRO  ho filoham-pirenena

be velarana mantsy ny mosary raha revo @ izany koa izy ireo

dia hoe tsy mandohalika intsony i MADAGASIKARA

Tantaraiko in1 mandeha hoa fa ho azo izy izao

ho tafiditra any an-tsosokoditrao

tadidy izao ny baiko nakàna antsika t@ izany

niady ny gasy ,afrika,arabo,sonegaly

didy moana nifanesy no nanoto

samy gasy  andrasatsika fa baolina nipasy AFRIKA

levez vous cadavre efa mort

espéce d’indigéne tena vahoaka be marenina

ity ny taolan-kena raha hinono

ity ny chiffon raha hitafy

taisez vous fa zana-drafy

taranaka tsy maintsy miafy

sale garce !andraso moramora

tsy mahazo manakora

ity ny rehoka sy ny rora raha mbà hihinana ô



MEDITATION!



INONA NO VAOVAO MANERANA NY TANY?

tsy takatry ny ...



tsy misy marina hipoitra intsony eto raha tsy hita ny marina momba ny raharaha RATSIMANDRAVA

ny hasavonin’ny vava sy haben’ny molotra no manovaova ny marina eto amitsika

ampamoaka no bonbon-jaza @ fitadiavan-tsezan’ny HERY VELONA

resin’ny felaka sy ny sôsy ny mpanao gazety ka tafatelina ny marina

espéce de voyou d’idiot

tsy misy fantatr’ialahy nahazo fahefàna afatsy 20%

n’inona na inona karazan-draharaha

fanjakàna mpangaro-paosy no nifandimby teto  nandritra ny 100 taona ary dia hiroso hangarom-bilàny  indray 100 taona vaovao



MEDITATION !



INONA NO VAOVAO MANERANA NY TANY?

tsy takatry ny .....

miantso anao..



tsara ny lapan’ny fanatanjahan-tena fa aiza ny an’ny zava-kanto

nozogaina ordre national  maman’i CELINE ,mama BAKO , neny LAVA.

nody maina an-tanambokovoko mama SANA,RAINDIMBY, JENERALY

propagandy ihany vao manan-kasina @ mpanao pôlitika ny artista

dia hoe tifiro basy izay miseho mokon-doha

atero aty renseignements raha tsy te ho faty aloha ialahy

raha tsy mahatanty ny resa-bahoaka ialahy mialà

fa angaha heverin ’ialahy  fa an’ny anadahandrenin ’ialahy  ny televiziôna sy ny radiôm-panjakàna  koa sivana ah sivana  ay ay ay  aouah...

tsy aleon ’ny bandy tonga dia manafatra sy manangana ny maty @ GALLIENI aaa ouah..



MEDITATION!



INONA NO VAOVAO MANERANA NY TANY?

tsy takatry ny kely vola izao ny atody ô

miantso anao mangina aho RABOZY ô!



nandà mafy ho sakaizavavin ’i MONICA i BILL CLINTON

miziriziry @ heviny i SADAM HUSSEIN manahirana ny amerikanina

nody aloha i ABEDI PELE sy ny BLACK STAR t@ CAN 98

misavorovoro AFRIKA fa taizan ’ny zarazarao hanjakàna ny mpitarika azy:GHANA, RWANDA ,BOTSWANA ,SAO-TOME, ZIMBABWE, NIGER ,TUNISIE, ALGERIE, LYBIE ,TANZANIE, ZAMBIE ,SOMALIE ,CAMEROUN, SENEGAL, COTE D ’IVOIRE,  NIGERIA.






Partager inona no vaovao manerana ny tany?

Commenter inona no vaovao manerana ny tany?

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Sareraka