4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny anay - Sareraka

1-Nama e  mama o

tsy raharahanay izay 5 sy 4- taona

itondràny anay

fa ny vola be aferany mandritra ny 20 androm-pifidianana iny

izay ihany ny anay ny anay ........e



2-Nama o mama e

tsy raharahanay izay soritr’asa sy safidy

fa ny vatonay amidy

natakalo vola mora vidy

izay manko no mibaiko anay

ny tsy mandry fotsy aloha izahay

sitrany ahay ahay ......



3-Nama e mama e

tsy raharahanay izay firaisam-pirenena

tanindrazana iombonana

fanjakàna tan-dalàna

fitondràna ifandimbiasana

fa ny iray foko  fihaviana

aminay ny anay ny anay ....



4- io ary izy ny an’ialahy fa lany fa lany...

tokana ihany e ny tanjona @ izany ...

dingana voalohany hamerina ny lany ...

dingana faharoa hihinana ihany e...

dingana farany e hifikitra hatrany e....

soa ialahy mbola mihinana angano e..

ialahy no mora vidy

ka ny firenena jiaby mantsina

mantsina maimbo masiso malàny...



5-Nama e mama e

tsy raharahanay na mpamono olona

na mpangala-batosoa

fa ny vola omeny ny akamany misava vato

eny antokotanim-pifidianana

iny ihany ny anay ,ny anay ...



6-Nama o mama o

tsy raharahanay izay candidatn’ialahy

na hita na izao

fa ampiharina ny tany

nefa tsy mizara akory na dia ariary

ka aleonay ny anay ...

aleonay ny anay..



7-Nama e nama e

tsy raharahanay izay ho avin’ny taranaka

sy ny ho avim-pirenena

fa izay lazaindry mon pére sy ry pasitera sy ry masera

fa kandidà mivavaka sy mpiray finoana aminao

toa teny @ frantsay

izay ihany ny anay ny anay ....



8-io ary izy ny an’ialahy fa lany fa lany ...

tokana ihany e ny tanjona @ izany..

dingana voalohany hamerina ny lany..

dingana faha 2 hihinana ihany .....

dingana farany e hifikitra hatrany e...

soa ialahy mbola mihinana anganao e...

ialahy no mora vidy

ka itsika jiaby  masiso  maimbo masiso malàny...

zom-pirenena noho ialahy dia mantsina masiso malàny malàny...

tsy manan-kasina intsony noho ialahy malàny malàny....

Partager ny anay

Commenter ny anay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Sareraka