4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Andro iray - AMBOARAM-PEO FIDERANA Soanierana



Mifaly havanja ny tontolo

velom-bolo

fa tonga ilay Noely soa

Mirana ny mpianakavy

andaniny avy

somebiseby avokoa



Fitafiana vaovao

sy kilalao

no ifampitahan’ny ankizy

Na ho an’ny lehibe na kely

ny andro Noely

fifaliana izay ts’izy



Ny mpifanandrina mitady

hoe ny ady

mba hatrahatra andro iray

Ny tsy mpiakatra Alahady

dia mivoady

fa ho mpiangona am’izay



Ry mpamoritra ny kely

ny andro Noely

mitaky fihavaozana aminao

Ho ahy kosa no angatahana

ivavahana

Ho Noely foana isan’andro izao.



Tonony sy feony : RATSIMBA Paul Aimé

Mpihira :AMBOARAM-PEO FIDERANA (EKAR Soanierana)

Partager andro iray

Commenter andro iray

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AMBOARAM-PEO FIDERANA Soanierana