4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Valisoa - AMBOARAM-PEO FIDERANA Soanierana

VALISOA



Tamin’izany andro izany i Jesoa, nony nahita ny vahoaka nanaraka azy.

Dia niakatra teo an-tendrombohitra.

Ary rehefa tafapetraka izy dia nanatona Azy ny mpianany, ka niloa-bava Izy nampiantra azy nanao hoe :



1-"Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny fanjakan’ny lanitra.

Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.

Sambatra izay mitomany, fa halàna alahelo.

Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa voky izy.



2-"Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy.

Sambatra ny madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy.

Sambatra ny tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra.

Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa zy ireo ny fanjakan’ny lanitra."



3-"Sambatra ianareo izay tevatevaina sy enjehina

ary ampagaina lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny amiko.

Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny VALISOAnareo any an-danitra."



Tonony :Matio 5, 1-12a

Feony : Paul Aimé A. RATSIMBA

Partager valisoa

Commenter valisoa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AMBOARAM-PEO FIDERANA Soanierana