4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Noely sambatra - AMBOARAM-PEO FIDERANA Soanierana



Andro lehibe tokoa izao andro anio izao

Ravoravo avokoa ny ankizy milalao

Tonga mantsy ny Noely

Fety mamy tena soa

Teraka ao ilay zazakely

Vonjy ho ahy, ho anao koa



Izy aza tonga ety mba hitondra Famonjena

Koa nahoana isika ety no dia be fitiavan-tena

’Ndeha omeo izay foinao

Ireo mahantra mampitsetra

Dia ho Noely vaovao

Ny androm-piainanao rehetra



       Todiho re (solo)

Todiho re ny eo akaiky, ireo havantsika

       Ny fiainana (solo)

Iaraha-miaiky: mampisento, mampikiaka



’Nefa kosa ity Noely

Dia Fety iaraha-mitambatra

Koa aoka hifampizara kely

Dia ho Noely Tena Sambatra



Tonony sy Feony : RATSIMBA Paul Aimé

Nandrindra : RAKOTOARISON Siméon

Partager noely sambatra

Commenter noely sambatra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AMBOARAM-PEO FIDERANA Soanierana