4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mamiko ry tompo soa - AMBOARAM-PEO FIDERANA Soanierana





1-Mamiko ry Tompo soa ny hanompo Anao hatrany

   F’ireo razanay taloha nankatoa sy nankamamy

  Dadabe sy Nenibe namporisika avokoa

  Nampianatra ny hoe :" Ao ambony ’Lay Ray tsitoha"



       Fiv: Ray ô ! Ray ô ! Ny Fitiavanao

             Manamaivana ny otako

             Raisinao, raisinao ny foko izao

             Izay no ezaka hiavotako



2- Mamiko ry Tompo soa ny hanompo Anao hatrany

   F’ireo razanay taloha nankatoa sy nankamamy

   Baiboly sy fihirana , boky maro tsy hita isa

   No indro entina hiderana ny hatsaran’ny paradisa



      Tonony : RANARIBOANA Solo José

       Feony  : RATSIMBA Paul Aimé

      Mpihira  : AMBOARAM-PEO FIDERANA ( 1977)


Partager mamiko ry tompo soa

Commenter mamiko ry tompo soa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AMBOARAM-PEO FIDERANA Soanierana