4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nefa iray ihany andriamanitra - AMBOARAM-PEO FIDERANA Soanierana

Ary ny Teny tonga nofo ka nonina taty amintsika

Ary nibanjina ny voninahiny isika

Dia voninahitra nozakainy avy amin’ny Ray

Sady feno fahasoavana sy fahamarinana Izy (Jn 1,14)



Maro samihafa ny fanomezana nefa ihany ihany ny Fanahy

Maro samihafa ny fanompoana nefa iray ihany ny Tompo

Ary maro samihafa ny asa nefa iray ihany Andriamanitra

Andriamanitra izay nanao izao rehetra izao ho an’ny olona rehetra (1Kor 12,4-6)



Voninahitra ho an’Andriamanitra Ray !

Dera, saotra, haja ho an’ny Zanaka !

Hobio toy izao ny Fanahy avy Aminy !

Derao sy hobio !

Deraina sy omem-boninahitra !

Ianao ry Trinite Masina !

Deraina Ianao ry Trinite Masina !

Avo indrindra Andriamanitra tokana !



Tonony : RATSIMBA Paul Aimé/RAKOTOARISON Siméon (cf:Baiboly Masina)

Feony : RATSIMBA Paul Aimé

Rindra : RATSIMBA Paul Aimé/RAKOTOARISON Siméon (05 mars 2000)

Partager nefa iray ihany andriamanitra

Commenter nefa iray ihany andriamanitra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AMBOARAM-PEO FIDERANA Soanierana