4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Anjara - BETTY

LEHILAHY:

Tsapako, fa sarotra amiko

Ny hamboraka ny ao am-poko ao

Tena vahotra ny molotro, ka tsy sahy

Menatra aho, ny hilaza aminao



VEHIVAVY:

Aoka izay fa efa fantatro

Fa ianao te-hanambara amiko

Izay rehetra ao am-ponao ao fa tsy sahy

Izaho koa anie mba toa anao.



MIARAKA:

Hay ve mitovy izaho sy ianao

Ka nahoana moa raha miombona fitia

Hiaraka,  hisedra izao fianana izao

Na ho mora na ho sarotra ny dia .



Fiverenana :

Sambatra aho, tena tretrika ny fo

Fa tanteraka avokoa, ny nofinofiko

Hisaorako ianao ry Ray Tsitoha

Fa nomenao ahy tokoa,

Izay ho anjarako.



Betty 2005


Partager anjara

Commenter anjara

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe BETTY