4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fiaraha-miasa - BETTY

1-O! Ry Havana manoloana

Izao no andro sady fotoana

Izay voatonona sy voakasa

Hanehoana fiaraha-miasa

Tonga kosa nareo hijery

Ny adidy tsy an’olon-drery

Hita maso fa tsy miery

Sitrapo fa tsy misy tery.



2-Ny adidy tsy an’olon-dratsy

Ka fehezo zareo ny vatsy

Halao hery aho re’ re olona o!

Lavitr’ezaka anie ny tolona .



@ izao andro farany izao

Inona ary no tokony hatao

Inona no anjarako izaho sy ianao   Valio re (X3 )

Fa isan’andro isan’andro izao

Ny baiboly dia miantso anao

Hitory @ izao tontolo izao Valio re (X3)

Maro ireo zavatra nokinasa

Mbola tsy vita tsy mety lasa

Tena ilaina fiaraha-miasa. Andao re (X3)

Mora dia mora ny mitanisa

Tsotra tokoa ny mamisavisa

Manatanteraka re no sisa Andao re (X3)



Fiverenana :

Andeha isika hifampi-vavaka e!

Mba tsy hisy hiavakavaka

Ny Tompo Andriamanitra no manasa

Miantso antsika izy hiara-hiasa

Isika rehetra no entanina

Handray adidy fa tsy hisy hijanona

Ka dia manasa ry lahy manasa

Andeha isika hiara-hiasa.



Betty

mpamorona:  Rivo jamba

Partager fiaraha-miasa

Commenter fiaraha-miasa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe BETTY