4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aloka - Johary

Ianao taloha, nanintona ahy,

nahasarika ahy

Ianao taloha lay nantenaiko,

no lalaiko

Satriko moa, ho isika roa

Nefa nangaina,

heri-po verimaina



Efa fantatrao, Efa vitanao

Nanalavitra ahy

Nefa ny alokao toa

Eo anilako eo



Izaho moa niantso anao,

Nitady anao

Ianao koa ilay nandà,

Tsy nandray ahy

Niova ny fo, Niova tokoa

Nanary dia,

nanavao ilay fitia



Efa lasa any aho, f’efa vizana

Tsy mahandry anao

Nefa ny aloka toa

Mbola ao (x3)



Naontsa ahy, ny sentosentonao

Ianao nandao, nanintsan’ahy…



Nanalavitra ahy

Nefa ny alokao toa

Eo anilako eo



Efa lasa any aho, f’efa vizana

Tsy mahandry anao

Nefa ny aloka toa

Mbola ao



Efa fantatrao, Efa vitanao

Nanalavitra ahy

Nefa ny alokao

Eo anilako eo



Mbola ao (x2)

Partager aloka

Commenter aloka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Johary